|
Lyric provided by www.seekalyric.com |
Any ambanimbanivohitra any ho aho No misy ny akamanay (2) Any koa ny dadanay e ! Any koa ny reninay Any koa ny zokinay e ! Any koa ny zandrinay. Mmmmmmmm ! ! ! ! Voatery handao ny ambanivohitra Mba handrato fianarana Ka hamonjy renivohitra Tohatra fiakarana Ka niezaka tokoa Fa hikaroka ny soa Nihevitry ny ho tafita Nihevitry ny hahavita Mmmmmmmm ! ! Mafy ny fiainana any e ! Ka sahirankirana Tsy hisy hitarainana any e Na mba hifikirana ! ! Vola, vola vola hatrany no takiana sesilany Mampivadika ati-doha Raha tsy manana dia voa Mmmmmmm ! Anefa tsy afaka manoatra Voatery ny mitrosa Ka tsy afaka hivoatra Sorisory miavosa Tsy tafandry koa ny saina Tsy mikipy koa ny maso Anefa izaho tsy hitaraina Na hiteny hoe andraso Any ambanimbanivohitra any ho aho No misy ny akamanay (2) Any koa ny dadanay e ! Any koa ny reninay Any koa ny zokinay e ! Any koa ny zandrinay. |