|
Lyric provided by www.seekalyric.com |
Manimanina ny any aminay izaho e ! Manimanina te-hody e Ny foko izay malahelo Tsy haiko ny hanaovana azy e ! Izaho tsy manam-bola handehanana hody (2) Efa tonga efa ela be 'zaho e ! teto Antananarivo Nikarama efa ela be 'zaho e ! teto Antananarivo Nefa dia hatramin' izao tsy nahangona vola firy Ny frais mbola tadiavina K'aleoko mijanona a ! Mahatsiaro ny any aminay aho ry nama Dia te hody ! Dia te hody an ! Ny fiainan' Antananarivo iharaha-malala fa tsy te halala Ny fiainan' Antananarivo iharaha-malala fa tsy mahatamana Mitsakaraka vola isan-andro ka mandreraka, ka mandreraka Samy maka ho azy daholo tsisy iainana, tsisy iainana O ! ry akamako , omeo korazy aho Fa mitady ho reraka O ! ry akamako , omeo korazy aho Mba ho entiko hiady O ! ry akamako a ! aza avela ho irery aho 'Ndao mba hiaraka O ! ry akamako a ! omeo korazy aho Tsara raha miaraka. |